Araka ny vaovao voaray omaly, tafita hiatrika ny fiadiana ny ho tompondaka eran-tany, taranja tenisy ambony latabatra, i Madagasikara. Nahazo ny laharana fahadimy isika nandritra ny fiadiana ny tompondakan’i Afrika, izay atao any Tunisie, ny 11 – 17 septambra. Lavontsika tamin’ny seta 3 no ho 2 i Cameroun.
Mitombo hatrany ireo Malagasy mpilalao baolina kitra lasa any Séychelles. Nalain’ny Lights Stars FC, klioba diviziona voalohany (D1) Seychelles, Ramiariniandry Nirina Angericot, Malagasy mpilalaon’ny Mama FC. Tsiahivina fa efa nandalo ekipa maro izy, anisan’izany ny Fosa Juniors sy ny FC Akademia.
Tafiditra anaty fandaharam-pianarana any Méxique ny tantaran’i Cristiano Ronaldo, portiogey mpanjakan’ny baolina kitra. Araka ny vaovao navoakan’ny tambajotran-tserasera, omaly. Ohatra tsara ho an’ny ankizy rehetra ny zava-bitan’ity mpilalao ity sy ny ezaka nataony nahatonga azy malaza toy izao.
Basikety Vétérans. Hiditra amin’ny ampahefa-dalana anio, ny fifaninanana nasionaly,sokajy Vétérans. Hiatrika izany, sokajy vehivavy, ny La Renaissance, Mbb, Vpps, Pmbc, Sebc, Club Maman , Fitefa ary Usbb. Ny ekipan’ny B4All, Ajrt, At2b, Coup de Pouce, Sebc, Cbc, Tafaray ary ny Fobb kosa eo amin’ny sokajy lehilahy.