Andohatapenaka : mpanendaka tratra nanendaka

Mirongatra ny fanendahana eny Antohomadinika sy ny manodidina. Jiolahy iray tratra teo am-panendahana niaraka tamin’ny antsibe teo Andohatapenaka, omaly hariva. Ny polisy avy ao amin’ny kaomisarian’ny boriborintany fahafito (CSP7) no nahasambotra ity mpanendaka ity. Anisan’ireo toerana ahitana olona maro mifamezivezy amin’iny faritra iny. Manararaotra manao ny ataony koa ireo olon-dratsy, indrindra eo amin’ny fiantsonan’ny taxi-be. Manoloana izany, misy ny fisafoana mahazatra ataon’ny polisy eny an-toerana. Misy ireo polisy manao fanamiana sivily miandry eny amin’ny manodidina. Nahatsikaritra ity jiolahy iray nitondra antsy teo am-pikasana hanendaka olona eo amin’ny fiantsonana manoloana ny hotely lehibe iray ny polisy. Nanatona hisambotra azy avy hatrany ny polisy. Nandositra ka raikitra teo ny fifanenjehana. Tsy lasa lavitra izy anefa dia tratra. Nilaza izy nandritra ny famotorana fa efa mpanendaka eny an-toerana hatreny 67 ha. Manao andiany izy ireo rehefa manao ny asa ratsiny. Misy miray tendro aminy koa ireo olona mipetraka eo amin’ny manodidina, raha ny fanazavana voaray. Mitohy, araka izany, ny fanadihadiana sy ny fikarohana ireo namany.

J.C

Partager sur: