Natolotra ny fampanoavana afakomaly ka naiditra am-ponja vonjimaika eny Tsiafahy ilay lehilahy nahavanon-doza, nahavita namono ny sakaizany mitondra vohoka. Ny 12 septambra 2023 maraina, nahazo fampandrenesana avy amin’ny sefo fokontany Antanety, kaominina Fenoarivo, ny zandary avy ao amin’ny zana-tobim-paritra Ambohijafy momba ny fahitana fatim-behivavy iray tao anaty tanimbary. Nidina teny an-toerana nanao fizahana ny zandary niaraka tamin’ny dokotera. Hita nandritra ny fizahana fa vehivavy tokony ho 30 taona eo ho eo, mitondra vohoka eo amin’ny efa-bolana na dimy volana eo, ity hita namoy ny ainy ity. Nanao ny fikarohana sy ny famotorana ny zandary. Niainga avy amin’izany no nahafantarana fa lehilahy iray 49 taona saikazany ihany no tompon’antoka tamin’ity vonoan’olona ity. Nosamborina izy ka niaiky fa namono nahafaty io sakaizany mitondra vohoka io. Nekeny koa fa izy no antony nahatonga ny fahafatesan’ity vehivavy ity noho ny fifamaliana nisy teo amin’izy ireo, ny alin’ny 11 septambra 2023. Niafara tamin’ny fikasihan-tanana anefa izany. Fanina noho ny daroka nahazo azy io vehivavy io ka nianjera tany anaty tanimbary, raha ny fanazavany manoloana ireo mpanao famotorana. Taorian’ ny famotorana, natolotra ny fampanoavana izy ka niafara tamin’ny fampidirana am-ponja.
J.C