CGM/GZ: hiaka-tsehatra ry Sarandra Beloba

Mifanao fotoana, anio manomboka amin’ny 3 ora tolakandro, etsy amin’ny Cercle Germano Malagasy (CGM/GZ) ny mpitia zavakanto sy ny tarika Sarandra Beloba. Ireo hira na gadona avy any amin’iny Faritra Anôsy iny no hoentin’izy ireo eny an-tsehatra. Misongadina ao anatin’izany ny mangaliba sy ny katreaky.
Anisan’ny lalan-kizoran’ny Sarandra Beloba ny hitondra aina vaovao indray ho an’ny kolontsaina malagasy. Fomba fiasan-dry zareo amin’izany ny fanapariahana sy fampahafantarana ny dihy, ny hira, ireo zavamaneno malagasy avy any amin’iny faritra atsimon’i Madagasikara (Faritr’Anôsy) iny. Avy amin’io ezaka ataon’ny tarika io no ho entina mampandroso sy mampivelatra ny zavakanto malagasy sy i Madagasikara iray manontolo.
Marihina fa anisan’ny faritra manan-karena karazan-kira sy dihy iny faritra iny. Raha ny nambaran’ny mpikaroka, sarotra ny mandihy amin’ny gadona avy any atsimon’ny Nosy noho izy mitaky fahakingana fatratra, hany ka mahavariana sy mahasarika olona maro ny mijery sy mianatra ireny dihy ireny.

HaRy Razafindrakoto

Partager sur: