Fiatrehana fifidianana : efa mandeha ny fanontana ny biletà tokana atsy Afrika Atsimo

Nitondra fanazavana manoloana ny feo miely ny eo anivon’ny Ceni. Nambaran’ny tale kabinetra, Andriamifidy Jean Louis, fa tsy misy ny olana amin’ny fikarakarana ny biletà tokana.

“Tsy marina sy tsy mitombina ny vaovao etsy sy eroa amin’ny filazana fa tsy afaka natonta indray noho ny toe-draharaham-pirenena ny biletà tokana, tokony hampiasaina amin’ny fifidianana filoham-pirenena”, hoy izy, omaly. Nam­barany fa efa mandeha araka ny tokony ho izy izany, taorian’ny fahavitan’ny laharan’ireo kandidà, ny alatsinainy 11 septambra teo, rehefa nentin’ny filohan’ny Ceni tatsy Afrika Atsimo. Nohamafisiny fa mbola any an-toerana ny teknisianin’ny Ceni miisa roa miaraka amin’ny solontenan’ny mpamatsy vola, amin’ny ala­lan’ny Pnud, mijery sy manara-maso ny fanontana izany. Notanisainy aza fa mahavita manonta iray tapitrisa biletà tokana isan’andro ny orinasa misahana ny fanontana izany any an-toerana. Nohafainga­nina kokoa izany andro vitsy aty aoriana ka mahavita maherin’ny roa tapitrisa isan’andro izao ilay trano printy, nahazo ny tsenam-barotra tamin’izany.

Biletà tokana
Etsy andaniny, notsindriny koa fa tsy marina ny filazana amin’ny fanontana biletà tokana any amin’ny toeran-kafa, araka ny nivoizan’ny sasany izany tato ho ato. “Tsy tokony hiseho izany satria iarahana amin’ny mpiara-miombon’antoka hatrany ny fanontana iza­ny, miaraka amin’ireo kojakojam-pifidianana”, hoy ihany izy.
Tsiahivina fa hanomboka ny 10 oktobra izao ny fampielezan-kevitra amin’ny fifidianana filoham-pirenena. Tokony ho efa any amin’ireo kandidà, mialoha izany ny biletà tokana natokana ho amin’ny fampahafantarana sy hanentanana ny mpifidy.

Synèse R.

Partager sur: