Nambaran’ny eo anivon’ny Vondron’ny Tanora Malagasy (VTM), tarihin’ny filoha nasionaliny, Rakotomalaza Desiré, fa misy ny laharam-pahamehana tokony hapetraka eto amin’ny firenena. “Ilaina harenina ny fitantanana ary tokony hojerena maika izany”, hoy izy ireo, tetsy Andrefan’Ambohijanahary, afakomaly. Nanterin’izy ireo fa anisan’ny antony naharesy lahatra azy ireo hiara-dalana amin’ny Firaisankinan’ny tia tanindrazana (FTT), tarihin’ny kandidà Razafinjoelina Tahina amin’ny fifidianana izany.
Eo koa ny fitsinjovana ny tontolon’ny fampianarana sy ny fanabeazana. Manampy izany ny fijerena ny fototry ny fahantrana sy ny olana ara-pivelomana ary ny fidangan’ny vidim-piainana. “Efa tena tsy mifanaraka amin’ny fahefa-mividin’ny sarambabem-bahoaka intsony izany”, hoy ihany izy ireo. Tafiditra ao anatin’izany koa ny fahaleovan-tena ara-tsakafo , anisan’ny fototry ny fivoarana sy ny fampandrosoana.
Etsy andaniny, anisan’ny vinan’ny kandidà laharana voalohany io ny ady amin’ny tsy fandriampahalemana sy ny resaka fahasalamam-bahoaka. “Anisan’ny hojereny manokana ny saran’ny fitsaboana. Lafo loatra amin’izao fotoana izao. Harahi-maso ny kolikoly amin’izany”, hoy ihany ny VTM.
Anisan’ny ao anatin’ny Vina ka hanohanan’izy ireo ny FTT ny fanohanana ny tantsaha sy ny fikarohana lalam-barotra ary ny fanamboaran-dalana.
Synèse R.




