Tontosaina eny amin’ny Institut français de Madagascar (IFM) Analakely, ny 20 septambra 2023, ny valandresaka manodidina ny hetsika «Festival Temps Fort Danse». Hetsika izay efa nifarana ny sabotsy lasa teo. Fifampizarana eo amin’ny rehetra no tanjona ao anatin’ity valandresaka ity. Ho hita ao avokoa ireo nandray anjara tamin’ny hetsika ary afaka mandray anjara amin’izany ihany koa ireo mpankafy sy mpijery.
Fifampizarana hevitra no entin’ny mpikarakara ny “Festival Temps Fort Danse” mamarana tanteraka ny hetsika. Mpijery sy mpankafy, mpandray anjara sy mpikarakara no andrasana amin’izany fotoana izany. Manodidina ny hetsika “Festival Temps Fort Danse” no resahina ao. Eo koa ny fifampizarana traikefa sy fahaiza-manao eo amin’ny mpankafy sy ny mpandray anjara nandritra ny hetsika, ary ny eo amin’ny samy mpandray anjara. Raha tsiahivina, nandritra ny tapa-bolana no nanaovana azy ary samy nahazo tombony tamin’
izany avokoa ny fianakaviamben’ny mpandihy, indrindra ireo miangaly ny dihy ankehitriny. Nisy mantsy ny fizarana traikefa nataon’ny Compagnie Yvann Alexandre, avy any Frantsa, tao anatin’iny “Festival Temps Fort Danse” iny.
Lin




