Mpikabary Katolika: namoaka ny andiany Md Paoly ny Mpikalo

Tontosa ny sabotsy 16 septambra 2023, teny amin’ny kianja Makis Andohatape­naka, ny famoahana ny Mpi­kalo (Mpikabary katolika), andiany faha-18, andiany Ma­sindahy Paoly. Niisa 561 ireto andiany avy eto amin’ny diosezin’Antananarivo ireto. Reny mpiahy azy ireo Rako­tondrazafy Lalatiana, minisitry ny Serasera sy ny kolontsaina. Mitohy hatrany ny fampianarana, ary tanjona ny hampivelatra ny fomba sy ny kolon­tsaina malagasy ao anatin’ny fampiharana sy fanajana ny fomba kristianina.
«Andrianiko ny teniko, hitoriko ny vaovao mahafaly», io ny teny manentana ny fi­kambanana Mpikabary Ka­tolika na Mpikalo, vaomieran’asa eo anivon’ny Eglisy katolika apostolika romanina (EKAR). Valo taona ny zandriny indrindra, ary ramatoa fito amby fitopolo taona no zokiny indrindra. Mampiavaka ireto andiany ireto ny fiainana ny fianam-panahin’i Masindahy Paoly, izay tahafiny, ankoatra ny fiainana ny maha mpikabary, indrindra ny maha katolika. Lanonambe narahina hetsika samihafa no nentina nanolorana azy ireo ny marika famantarana ny fahavitan’ny fianarany. “Mbola hisy ny fiofanana aorian’izao saingy tsy voatery hanaraka izany intsony ireo mpikambana” hoy Rakoto­malala René, filoha nasiona­lin’ny Mpikalo.
Hisokatra ny volana oktobra ho avy izao ny taom-pianarana vaovao ho an’ny Mpikalo, eny anivon’ny fiangonana Katolika, ato anatin’ny Diosezin’Antananarivo.

Lin

Partager sur: