FANTINA sy FINTINA

Nihaona tamin’ny governemanta ifarimbonana natrehin’ny mpikambana vitsivitsy, notarihin’ny praiminisitra Ntsay Christian, teny Mahazoarivo, omaly, ireo Ambasadaoro avy amin’ny firenena mivondrona ao anatin’ny G7, nahitana an’i Soisa, Etazonia, Frantsa, Japon, Royaume-Uni, ny Vondrona eoropeanina ary i Allemagne. Tsy nisy nipika ny resaka nifanaovana, izay naharitra ora roa.
Miantso ny vahoaka malagasy hitandro ny fandriampahalemana sy ny fitoniana ho an’ny tombontsoam-pirenena amin’ny fiatrehana fifidianana ny filohan’ny Fikambanana silamo malagasy (FSM), i Abousoary Saïd Arsène. Mba haneho fahendrena sy fahamatorana ireo manam-pikasana hitondra firenena.
Amin’ny 22 septambra ho avy izao no ho fantatra izay ho kandidà filohan’ny Repoblika hotohanan’ny Groupe des jeunes malgaches patriotique (GJMP), tarihin’ny depiote Randrianasolo Nicolas, araka ny kongresy nasionaly tany Betroka, faritra Anosy.
«Ilay rafitra mihitsy no olana», hoy ny Rassemblement des citoyens responsables (RCR), tarihin-dRazafiarison Laza, tanatin’ny fanambarana nataony, omaly. Miverimberina matetika io olan’ny HCC io, nanomboka ny taona 1996, ary mitohy hatramin’izao ka tokony hirosoana ny fanovana ny rafitra.

Partager sur: