Fakafaka: Ny todin’itsy, misy !

 

Toa tsy mba afak’olana mihitsy i Madagasikara ? Marina izany, satria, maro loatra ny olana nambolena teto. Samy nanondraka sy nanisy zezika ireny olana ireny ireo namafy ny voa. Iray amin’izany ny Frantsay mpanjakazaka an-ta­nin’olona. Niteraka olana goavana be, ohatra, ny fanisihina tao an-tsain’ny Malagasy fa « vanim-potoana maizina no nodiavin’ny Malagasy talohan’ny nidiran-dry zareo teto ». Tsy mifanalavitra amin’io ny nametrahan-dry zareo ny finoany sy ny fivavahany mba ho arahin’ny Malagasy, sns.
Tsy hanomezan-tsiny ny vahiny ny tranga tahaka ireo fa ny Malagasy no tsy nahay nifehy sy nanandratra ny azy ka hitodian’ny nataony. Nariana ny fahalalana an-Janahary. Nohamaivanina ny fanajana ny fady sy ny fomba. Nohamavoana ny fifikirana amin’ny tany. Novetavetaina ny hasin’ny razana… Nanjary tsy misy dikany amin’ny Malagasy sasany ny mandatsak’aina, ny misoloky, ny mirehareha amin-kery, ny mampitovy ny olona amin’ny biby, sns. Tsy mby ao an-tsain’izy ireny mihitsy fa manody ny zava-drehetra atao. Nitambatra ireny rehetra ireny ka zary tsy afa-belan’ny olana ny Malagasy sy i Madagasikara.
… Na hizotra hiankavia na hiankavanana ny Malagasy, raha mbola tsy mahafantatra sy miaina ny maha izy azy, hijanona ho kilalaom-bahiny eto hatrany. Faharoa, hizaka ny todin’ny ataony ka tsy ho afaka hitraka « intsony » !
Mila miova ny Malagasy tsirairay. Sarotra ny manatanteraka izany raha tsy miainga any ifotony. Andraikitry ny ray aman-dreny niteraka ny manoro sy mitaiza ny zanany hifanaraka amin’ny maha Malagasy azy (teny, finoana, fady, hasina, fomba amam-panao…).

HaRy Razafindrakoto

Partager sur: