Teti-panorona

 

20 andro sisa dia hisokatra amin’ny fomba ofisialy ny fampielezan-kevitra, amin’ny fifidianana izay ho filo­ham-pirenena fihodinana voalohany. Hatramin’izao anefa, mbo­la manjavozavo ny tena fandehan’ny raharaham-pirenena. Samy manao izay mahafalifaly ny fony sy ny sainy ny ankolafin-kery samihafa. Tsy misy sahy mandray ny andraikitra mifanaraka amin’ny foto-keviny. Lany andro manao fanambarana sy mitabataba amin’ny haino vaky jery sy tambajotran-tserasera.
Ny tompon’ny fahefana, mangingina tsy ahitan-teny. Inona tokoa moa no ambarany? Ny lehibeny aza mbola miala sasatra any ivelany. Marina fa tsy manana andraikitra ofisialy intsony ny filoha teo aloha, saingy miandry azy avokoa ny zava-drehetra. Izy rahateo mbola anisan’ny kandidà nankatoavin’ny Fitsarana avo momba ny Lalàmpanorenana. Manana ny zo feno handray anjara amin’ny dingana rehetra mahakasika ny fifidianana. Mifa­nindran-dalana amin’izay, andrasana ny fanambaran’ny Praiminisitra sady filoham-panjakana miara-mitantana ny firenena, anio alina.
Ny vahiny moa etsy ankilan’izay, tsy mikombom-bava. Tompon’ny vola rahateo ka tsy maintsy manao izay ha­me­trahana ny dian-tanany. Mazava be ny fanambarana nataon’ny fianakaviambe iraisam-pirenena, omaly, fa mpi­­sehatra fototra izy ireo, ka tsy azo tsinontsinoavina. Miankina amin’ny fanampian’ireo firenen-dehibe ny vola nentin’ny Vaomiera mahaleo tena misahana ny fifidianana miasa. Milalao ny fomba firesaka diplaomatika izy ireo kanefa manery an-kolaka ny zotra tokony harahina.
Ny zava-drehetra miseho tao anatin’ny herinandro tsy nananan’i Madagasikara filoha voafidim-bahoaka dia mi­hazakazaka mahafanina. Ahitana taratra ny kajikajin’ny mpilalao. Tahaka ireny amin’ny fanorona ireny. Samy mi­ady hahazo ny laka saingy tsy misy afa-manoatra satria ambany vahohon’ny vazaha.

r.r

Partager sur: