Mozika malagasy : hitondra fivoarana sy fandrosoana ny “Moozik”

Vokatra voalohany manome lanja ny Malagasy mpanakanto ny “Moozik”. Samy hahazo tombony amin’ity tetikasa ity na ny mpanakanto na ny mpankafy na ny sehatry ny mozika malagasy.

Tontosa omaly, teny amin’ny Carlton Anosy, ny lanonana fampahafantarana tamin’ny fomba ofisialy ny “Plateforme Moozik”. Kara­zana tambajotran-tserasera ahafahan’ny mpankafy mozika mihaino ireo hira tiany, an-jotra izy ity. Ny orinasa Mano­ova no tompon-kevitra amin’ity tetikasa ity. Ny mozika malagasy sy ny mpihira malagasy no hahazo vahana sy omena lanja amin’izao tetikasa izao. Ankoatra ny vondron’olona tiliny sy ny vidiny, mbola maro ny mampiavaka ny “Moozik” amin’ireo efa misy izany no tsy maha mena-mitaha amin’ireo efa misy izy ity. “Ny fivoaran’ny teknolojia sy ny zava-misy ankehitriny ary ny zava-misy iainan’ny mpihira no nitsirian’ny hevitra hanao ny Moozik”, hoy i Rajo Rajaonarivelo, talen’ny Manoova. Vita malagasy sy natao ho an’ny Malagasy ary hanasongadinana ny kanto malagasy ny “Moozik”. Tetikasan’ny orinasa Mano­ova, nahazoana alalana feno avy amin’ny OMDA izy ity. Nandritra ny 3 taona no namolavolan’ny ekipan’ny Manoova ny tetikasa. “Hanomezana sehatra ny Malagasy mpanakanto sy ahafahan’ny mpanjifa mankafy an-kalalahana sy amin’ny fomba tsotra no nanaovana ny Moozik”, hoy i Rajo Rajaonarivelo. Noeza­hina natao hifanaraka amin’ny filàna sy fahefa-mividin’ny Malagasy ihany koa izy ity. Miditra amin’ny vanim-potoana fampandehanana ny “Mo­ozik” ny tomponandraikitra nanomboka omaly. Mano­mboka ny volana oktobra 2023 kosa ny vanim-potoana fanandramana. Tsy andoavam-bola ary misokatra ho an’ny rehetra izy ity ao anatin’izay vanim-potoana izay. Ny volana febroary 2024 kosa no hivoaka amin’ny fomba ofisialy ny “Moozik”.

Lin

Partager sur: