Eto Madagasikara, hanatanterahana hetsika mitsinjo ny maha olona, ny mpandresin’ny «Miss & Mister Malagasy 2023». Amin’ny anaran’ny fikambanana Miss et Mister Malagasy no hanatanterahana ny hetsika, ary misolo tena ireo Malagasy mila ravinahitra any ivelany ao anatin’izany. Anio no hiainga eto Antananarivo izy ireo ary hihazo ny tapany atsimon’ny Nosy. Antananarivo, handalo an’ Antsirabe, Ambositra, Fianarantsoa, Ranohira ary hifanarana ao Toliara ny dian’izy ireo. Hisy ny fitsidihana ireo toerana ahitana olona tena sahirana amin’ireo tanàn-dehibe lalovana ireo. Manodidina ny folo andro no hanatanterahana ny hetsika, raha ny nambaran-dRalantoarison Sam, filohan’ny fikambanana Miss et Mister Malagasy. Fitaovam-pianarana hanampiana ireo ankizy sy tanora, any amin’ny tanàna tena sahirana, no entin’i Candice Toussaint sy i Alexandre Gouran, mpandresin’ny «Miss & Mister Malagasy 2023». “Tanjona ny tsy ialan’ny ankizy sy tanora an-daharana amin’ny fandehanana any an-tsekoly », hoy i Sam Ralantoson. Tafiditra ao anatin’ny andraikitry ny mpandresin’ny fifaninanana ny manao asa soa eto Madagasikara sy misolo tena ireo Malagasy mpila ravinahitra amin’ny fanaovana izany.
Marihina fa fiaraha-mientan’ireo Malagasy mpila ravinahitra any ivelany no nahazoana vola nahafahana nanao izao fanampiana izao. Misy kosa ny fiaraha-miasa amin’ny mpiara-miombon’antoka maro amin’ny fanatanterahana izany.
Lin