“Haikanto ho an’ny Ankizy” : sekolim-panjakana dimy no hisitraka ny tetikasa

Vina iraisana sy tanjona iombonana ny fanabeazana ny ankizy malagasy, miatomboka amin’ny fahakeliny. Manana anjara sy anisan’ny mandavorary izany ny fikirakirana ny haikanto. Hanatrarana izany no nanaovana izao tetikasa izao.

Tontosa omaly, teny amin’ ny Fondation H Ambato­mena, ny fanaovana sonia ny fiaraha-miasa eo amin’ny Kaominina Antana­narivo Renivohitra, ny fari-piadidiam-pampianarana (Cisco) Antananarivo renivohitra, ny Fikambanana Ank’izy ary ny Fondation H. Ankizy avy amina sekolim-panjakana dimy, eo anivon’ny Cisco Antananarivo renivohitra no hahazo tolotra manokana manodidina ny haikanto maro samihafa, ao amin’ny Fon­dation H. Tanjona ny hanokafana ny sain’ny ankizy. Amin’ ny alalan’ny zava-kanto vita amin’ny lamba sy ny fanenomana, navelan’i Madame Zo no hanaovana izany. Ha­nomboka anio, ary tsy hifarana raha tsy amin’ny sabotsy izao ny hetsika.

«Singa iray manan-danja sy mandavorary ny fanabeazana ny ankizy ny fikirakirany haikanto», hoy Ravelomana­tsoa Elia, talen’ny DACVC, eo anivon’ny Kaominina Anta­nanarivo Renivohitra. Izany indrindra no anton’izao tetikasa izao. Indroa miantoana ireo mpianatra voafantina no hi­tsidika ny ranty nataon’i Ma­dame Zo, eny amin’ny Fondation H. Mandritra ny fi­tsidihana voalohany no hanehoana azy ireo ny zava-kanto sy hampianarana ny fanenomana. Izy ireo mivantana kosa no hanenona lamba sy hamoaka ny haikantony amin’ ny dingana faharoa.

Nosafidiana manokana ny kanton’i Madame Zo, noho izy mpanakanto niainga tamin’ny fanenomana ny landy fahagola ary mbola nahavita niditra indray amin’ny fanenomana izany amin’ny fomba ankehitriny. “Anisan’ny tanjon’ny hetsika ihany koa ny ahitan’ny ankizy ny atao hoe haikanto eto amin’ny firenena sy ny an’ny hafa”, hoy hatrany Ra­velomanatsoa Elia.

Lin

Partager sur: