« Volana iray, mpanoratra iray » : homena sehatra i Hobiana sy ny asa sorany

Razanajatovo Andriani­merina Hobiana no tena anarany feno. Tsy zoviana amin’ ireo mpankafy sy mpanaraka ny vaovaon’ny haisoratra sy ny literatiora raha i Hobiana. Hatokana ho azy sy ny asa sorany indray ny hetsika «Volana iray, mpanoratra iray», amin’ity volana septambra miditra oktobra ity. Toa ny mahazatra, manomboka amin’ ny fampahafantarana ny mombamomba ny mpanoratra, ny tontolo ivelarany ary ny lalana nodiaviny izany, ao amin’ny pejin’ny minisiteran’ ny Serasera sy ny kolontsaina, anaty tambajotra «Face­book». Eo koa ny anatin’ny gazety boky «Hetsika» sy ireo fandaharana amin’ny haino aman-jerim-panjakana. Ma­na­ra­ka avy eo ny fihaonana mi­vantana amin’ny mpanoratra, izay tontosaina ao amin’ny Tranombokim-pirenena Ano­sy.
Poeta, mpanoratra no tena ahafantaran’ny maro an’i Hobiana. Mpampianatra sy mpanabe ihany koa izy, an­koatra ny andraikiny hafa amin’ ny asany. Nilomano ela tao anatin’ny literatiora, satria mbola kely izy no nanoratra ilay tononkalo «Lahatra», raha ny voasoratra ao anatin’ny takila fampahafantarana ny momba azy. Gazety malagasy maro no efa namoaka ny asa sorany. Misy amin’izy ireny no niarahana tamin’ireo mpiray fikambanana ao amin’ny Havatsa-Upem sy ny Fari­bolana Sandratra, izay misy an’i Hobiana. Efa namoaka boky ihany koa ity mpanoratra ity, toa ny «Adolantsento», izay amboaran-tononkalo, ny «Rom-padinkena» sy «Nofy ratsy…Nofy tsara» izay sombin-tantara, ny «Ohabolana, kolosaina ho an’ny ankizy», izay misy boky I sy boky II…

Zo ny Aina

Partager sur: