Firenena nandalo fanjanahantany i Madagasikara. Taona 1960, naverin-dry zareo Frantsay ny Fahaleovantena. Tsy « niala maina » anefa izy ireo fa nametraka paikady isan-karazany mba hahazoany manohy ny efa nataony…
Kolontsaina sy zavakanto vahiny ny saribakoly. Sary mivainga vita amin’ny lamba na plastika, sns, nampakana endrika olona izy ireny. Tsy misy aina fa ny tompony no manome izany, ka sady manetsika no misolo vava miteny. Izany hoe, miainga avy any amin’ny tompony, ny baiko rehetra. Anjaran’ilay saribakoly ny manatanteraka.
Iray amin’ireo paikady napetraky ny Frantsay hoenti-mifehy ny kolontsaina, ny zava-kanto, ny fomba amam-panao, ny fanabeazana, ny soatoavina malagasy ny fanapariahana ireny saribakoly ireny isan-tsehatra. Namolavola olona maro rahateo izy ireo mba hisy tohiny ny fandemena (saina, vatana, fanahy) nataony tamin’ny vanim-potoanan’ny fanjanahantany.
Eo amin’ny Malagasy, hifanakalozana ny hevitra. Ho an’ny vahiny, izay tompon’ny fahefana no tompon’ny fahamarinana iray manontolo sy tsy azo lavina. Nomen’ny Frantsay mpanjakazaka an-tanin’olona toerana (seza) misy fahefana ireo « saribakoliny », hany ka zary tompon’ny fahamarinana. Na hita fa tsy mety sy hevi-dravina na fanapahan-kevitra diso izao aza, lazaina fa marina lalandava.
Miteraka maro ny saribakolin-dry zareo
Anisan’ny mahavariana ny mpandalina tantara ity tranga iray ity. Tsy mba mety lany taranaka ny saribakoly fa miteraka. Ao anatin’ny firenena iray nandalo fanjanahantany, tsy maintsy ahatazanana ny taranany. Ireny no mamily lalana ny kolontsaina sy ny zavakanto, ny fomba amam-panao, sns, ananan’ny Malagasy. Zaza sy taranaka malagasy no beazina kanefa teny frantsay no hoentina hanabeazana azy any an-tokantrano, any an-tsekoly, eny anivon’ny fiarahamonina, sns. Tantaran’i La Frantsa no ianarana ao anatin’ny fandaharam-pianarana eto Madagasikara… Ny zaza voavolavola amin’ny rafitra tahaka izany, azo antoka fa ho dimbin’ireo saribakoly teo aloha. Manomboka manaranaka be izy ireny, satria, ifandrombahana ny fananganana sekoly manindraindra ny rafi-panabeazana frantsay, eto Madagasikara.
Aparitaky ny saribakolim-bahiny mafy hihanaka manerana ny Nosy ireo kolontsaina sy zava-kanto « tsy misy fotony » mba hampitsingevana ny taranaka malagasy.
Raha mbola eo ny tompony. Raha mbola omena vahana ireny saribakoly ireny. Ho sarotra ny hahita fivoarana tsara eo anivon’ny fiarahamonina malagasy !
HaRy Razafindrakoto