Mivahiny eto Madagasikara ny mpandaha-teny Dr Peter Youngren, Kanadianina. Tanàn-dehibe fito no holalovany mandritra ny diany eto, anisan’izany Antananarivo sy Fianarantsoa. Ao anatin’ izany, hisy ny seminera lehibe hataony ho an’ny mpiandraikitra fiangonana. Eo ihany koa ny fihaonana amin’ny tomponandraiki-panjakana ary farany sady goavana indrindra ny fihaonana amin’ny vahoaka malagasy.
Olona aman’arivony, avy amina firenena maro samihafa no efa nahita fahombiazana tamin’ny Dr Peter Youngren, teo amin’ny fiainany, araka ny nambarany. Eto Madagasikara izy ankehitriny, ary manatanteraka ny hetsika “Fetiben’ny firahalahiana” atao eny amin’ny Coliseum Antsonjombe, manomboka omaly hatramin’ny 24 septambra 2023. Isaky ny tolakandro no hanaovana ity hetsika ity. Rindran-kira maro samihafa sy fampianarana ary fifampizarana no hameno ny fandaharam-potoana mandritra ireo fotoana ireo.
Hetsika natokana ho an’ny mpitondra fivavahana kosa ny tapany maraina rehetra, atao eny amin’ny Kianja mitafo Ankorondrano.
Lin