Tanterahina manomboka anio hatramin’ny alakamisy 28 septambra 2023, amina toerana maro eto Antananarivo, ny « Festival Ant’sary Doc” andiany voalohany. Mamondrona ny mpankafy sy ny matihanina eo amin’ny tontolon’ny horonantsary fanadihadiana ny hetsika. Sokajy efatra no hifaninana mandritra ity fotoan-dehibe ho an’ny horonantsary fanadihadiana ity, ary mpanatontosa maro avy eto Madagasikara sy eto Afrika no mandray anjara amin’izany. Ankoatra ny fifaninanana, hisy fifampizarana sy valandresaka ho an’ny rehetra koa hiresahana sy hampahafantarana bebe kokoa ny horonantsary fanadihadiana, indrindra ny eto Madagasikara..
Hiavaka amin’ny hetsika lehibe eo amin’ny sinema efa misy ity atao ity. Horonantsary fanadihadiana ranoray no handeha mandritra ny herinandro hanatanterahina ny “Festival Ant’sary Doc”. Manomboka ny 25 septambra hatramin’ny 27 septambra 2023 no handefasana ny horonantsary fanadihadiana mifaninana toy ny sokajy “Courts métrage”, “Long métrage”, “Jeunes creation” ary “Experiences digital”. Matihanina sy sangany eo amin’ny fanatontosana horonantsary fanadihadiana no voatsonga hitsara ny fifaninanana. Anisan’ izany i Didier Mauro, Jean Michel Carré, Gerard Le Chéne, ary koa i Nantenaina Lova, Malagasy mpanatontosa.
Lin