Tsy ranon’Ikopa !

 

Nakotrokotroka ny fametrahana ny vovonana Union des Pro Andry Rajoelina na ny UPAR. Natao ivondronan’ireo mpanohana ny filohan’ny Repoblika teo aloha. Tsy nanavahana sokajin’olona fa nanamafisana ny hery velona rehetra vonona ny hampandany azy indray amin’ny fotoam-pitondrana faharoa. Namerenana am-bala ireo nisintaka. Nanambatambazana ireo nahatsiaro tena ho voahilika.
Fotoana ihany koa anefa, nipoiran’ireo efa tsy hita taratra tany anaty tolona. Mpanara-drenirano sy mpivadibadi-dela. Misy ny mpamadibadika palitao izay tsy vahiny amin’ny tontolo politika. Tsy mahagaga raha nirongatra teny amin’ny tambajotran-tserasera ny kiana sy ny eson-teny ary ny latsa ho an’ity sokajin’olona ity. Misy ny nanebaka fa mamba noana tsy nahita ho sarangotina no tsy nahatanty ny mena miraviravy.
Fomba fijery avokoa ireo. Ny azo ambara anefa, iray ny tanjona. Mpampihavana ho amin’ny fampandrosoana ny mpanara-dia sy ny kandidà Rajoelina Andry. Tsy Sanatria ka ranon’Ikopa, tonga namana vao ho mavomavo. Ny mitabe tsy lanin’ny mamba. Ny firaisan-kina no hery ka izay mitambatra vato, ny mitambatra fasika. Misokatra ny varavarana hoan’ny rehetra tsy any anaty rafitra mahazatra ny mpanara-dia ny kandidà laharana fahatelo.
Politika rahateo no lalaovina, tsy maintsy mijery ny paikady mifandraika amin’izany ny ekipa sy ny kandidà isanisany. Matoa nirotsaka ho fidiana, vonona ny handresy. Samy milofo mba handrombaka ny amboara. Tsy mahagaga raha fahavaloko taloha, nanjary namana mpanampy tsy foy, ankehitriny. Tsy tokony mahataitra izany eto Madagasikara. Iaraha-mahalala ny fisiana vondron’olona mifehy ny toekarena sy politika. Karazana lova tsy mifindra ny fitondrana ilay fanjakana.

r.r

Partager sur: