Frantsay mpahay kanto manana ny maha izy azy i Nicolas Séguy. Hanatanteraka fampisehoana sy atrikasa maro izy mandritra ny fandalovany eto Madagasikara, ao anatin’ny “Slam nationale 14”. Raha tsiahivina, Nicolas Séguy no vahinin’ity hetsika goavana eo amin’ny tontolon’ny “Slam” ity.
Anisan’ny hampiavaka ity “Slam nationale 14” ity ny fandraisan’anjaran’i Nicolas Séguy. Hisy ny atrikasa iarahany amin’ny mpandray anjaran’ny “Slam nationale 14”, ny 27 septambra 2023, ao amin’ny IFM Analakely. Hitohy amin’ny atrikasa azon’ny rehetra atrehina izany, ny 28 septambra 2023, ao amin’ny IFM hatrany. Ny 29 septambra 2023 kosa no hanatanterahana ny fampisehoana goavana “Concert Piano voix”. Famelabelaran-kevitra, iresahana ny mahakasika ny maha mpamorona sy mpandrindra azy, atao ny 30 septambra 2023 ny hamaranana ny hetsika.
Anisan’ny fototra nampalaza ny vahiny mpahay kanto maro i Nicolas Séguy. Ankoatra ny maha mpanoratra sy mpandrindra azy, manana ny maha izy azy ihany koa izy eo amin’ny fitendrena sy ny tontolon’ny horonantsary.
Lin