Literatiora am-bava : miverina amin’ny heriny ny teatra malagasy

Haikanto nanana ny toerany teo amin’ny andavanandrom-piainan’ny Malagasy ny teatra malagasy fahiny. Somary tsy hita anefa izy io tao anatin’ny taona maromaro. Efa hita taratra kosa ny ezaky ny tomponandraikitra amin’ny famerenana izany haikanto izany, amin’ny maha izy azy.

Tontosa omaly, teny amin’ ny Alliance française d’Antananarivo (AFT) Andavamamba, ny seho teatra «Anao ny safidy». Ny Tropy Lisin’Iarivo, no niangaly sy nanome fahafinaretana ny mpankafy teatra amin’ny alalan’izany seho teatraly izany. Tonga maro teny an-toerana nianoka izany seho izany ny fianakaviamben’ny teatra ma­lagasy, nahitana mpankafy, mpiangaly teatra ary ny tomponandraikitra eo anivon’ny Fikambanan’ny mpanao teatra malagasy (FMTM).

Ta­fiditra ao anatin’ny ezaky ny tomponandraikitry ny teatra malagasy izao hetsika izao, ary vinan’ny eo anivon’ ny FMTM ny hampivoarana sy hampiroboroboina ny teatra malagasy.

Ambohipihaonan’ny fianakaviamben’ny teatra malagasy ny teny amin’ny Aft An­davamamba, omaly tao ana­tin’ny seho “Anao ny safidy”. Seho niainga tamin’ny fiainana andavanandro no nentina an-tsehatra, nolarona haikanto maro samihafa.

Tantaram-pitiavan’olon-droa, manoloana ny tsy fitovian-tsaranga, no naseho an-tsehatra tamin’izany. Na­son­gadina tamin’izany ny ezaky ny tsirairay ha­natrarana ny tanjony. Tsy adinon’ny tomponandraikitry ny tantara anefa ny anatra sy ny fanabeazana ho an’ny mpi­jery.
Azo antoka ny ho avy
Raha ny teatra malagasy manokana, manomboka miverina tsikelikely, amin’ny lanjany sy ny maha izy azy ity haikanto iray ity. Araka ny nambaran’ny tomponandraikitra. Maro ireo tanora miangaly sy efa mpanao teatra, eny amin’ ny toeram-pampianarana eny. Miezaka ihany koa ireo kintan’ ny teatra malagasy fahiny, mizara ny traikefany sy ny fahaiza-manaony amin’ireo vao misandratra.

Lin

Partager sur: