Faran’ny herinandro – Kabary: nandia hetsika maro ny Fi.Mpi.Ma

Na teto an-toerana na tany ivelany, nanatontosa hetsika maro ny Fikambanan’ny mpikabary Malagasy maneran-tany (Fi.Mpi.Ma), ny faran’ny herinandro teo. Sabotsy 23 septambra, namoahana ny andia Rakotoson Daniel sy fanasalorana lamba ny sampana Fi.Mpi.Ma Ivon’i Gasi­kara any Soavinandriana. Fankalazana sy fandraisana ny fanilo faha-60 taona sy fankalazana ny faha-15 taonan’ ny faritany Fi.Mpi.Ma Kanada notanterahina tany Montréal. Hetsika anisan’ny niavaka noho ny fisian’ny fandaharam-potoana maro tao anatiny. Diabe, seho kanto, famoahana andia mahatsangy, fanasaloran-damba any andia lofo. Fanolorana valimbabena ho an’ny Renala sy ny Voarabe sy ny tsinjaka bevata… Tany Luxembourg, fanokafana ny taom-pianarana 2023 – 2024, sampana Benelux. Omaly alahady 24 septembra, notanterahina teny Ambohimirary ny famoahana ny andia Rakoto­son Daniel sy fanasalorana lamba ny sampana Fiantso. Famoahana ny andia Arosy sy fanasalorana lamba ny sampana Kokambo (Mahanoro), sy ny sampana Antsafa (Vato­mandry) tany Mahanoro.

Marihina fa mandia ny faha-60 taonany ny Fikam­banan’ny mpikabary Mala­gasy maneran-tany. hetsika maro no hoenti-mankalaza ity vanim-potoana lehibe ity. Misy ny any ivelany fa tsy vitsy ihany koa ny eto an-toerana.

HaRy Razafindrakoto

Partager sur: