Madagasikara maitso : fampirantiana momba ny tontolo iainana

Tanterahina nanomboka ny 21 septambra 2023 hatramin’ny 1 novambra, eny amin’ ny Galerie d’Art Ivokolo Ana­lakely, ny varotra fampiran­tiana « Madagasikara Maitso ». Jacques Naif sy William Ran­drianohanana no mpahay kanto mandranty sary eny an-toerana mandritra ireo andro ireo. Ny Ofnac, miaraka amin’ ireo mpahay kanto ireo no mi­karakara ny hetsika. Maimaim­poana ary misokatra ho an’ny rehetra ny fampirantiana. Tan­jona ny hisarihana ny sain’ny olona sy hanentanana azy ireo hikajy ny tontolo iainana.
Miavaka sy miala kely amin’ ny mahazatra ny ranty eny amin’ny Galerie Ivokolo Ana­lakely. Maneho ny hakanton’ny tontolo iainana sy ny zava-mananaina maro isan-kara­zany sy manentana ny olona rehetra hikajy sy hikolokolo izany ny asa tanan’i Jacques Naif sy William. Am-polony ireo haikanto maneho ny ha­kanton’ny tontolo iainana sy mirakitra fanentanana ho amin’ ny fikajiana azy ireo, indrindra ny eto Madagasikara. Arakany nambaran’izy ireo, manana an­jara lehibe amin’ny fanabeazana ihany koa ny hai­kanto. Ireo re­hetra ireo no nahatonga ny fam­pirantiana mitondra ny lohahevitra “Mada­gasikara Maitso” ho fane­hoana ny hakanton’ny Nosy sy ho fanentanana ny olom-pirenena hikajy izany.

Lin

Partager sur: