Nate Tex « Hiverina » ; nanome fahafaham-po ny mpankafy

Tontosa ny faran’ny herinandro teo, teny amin’ny Ivokolo Analakely, ny fampisehoana « Hiverina » niarahana tamin’i Nate Tex. Fotoana ihany koa nanehoana ampahibemaso, voalohany, ny rakitsarin’ny hira « Hiverina ». Tonga maro nanotrona sy nankafy izany ireo mpankafy Nate Tex. Mbola tsy very tokoa ny fitiavan’ny mpankafy azy, na dia fotoana lavalava aza no tsy nahitana azy. Hitohy hatrany ny mozika ary efa eo am-panomanana ny rakikira faharoa ny tarika amin’izao, araka ny nambaran’ity mpahay kanto mpihira ity.
Nifanome fotoana, ary niara-nankafy indray ireo hira nankafizan’ny mpankafy azy ny fianakaviamben’i Nate Tex. Nanakoako teny amin’ny Ivokolo Anakely ny “Tsy afaka”, “Mahatalanjona”, “Pejy faharoa”. Tena nandrasan’ny maro kosa ny hira “Hiverina” sy ny rakitsariny, izay navoaka voalohany tamin’io fotoana io.
Efa manana ny maha izy azy eo amin’ny sehatry ny mozika malagasy i Nate Tex, na dia mbola tanora aza. Mampiava­ka sy tena anakafizan’ny maro azy ny fikaloana hiram-pitiavana amin’ny alalan’ny gadona maro samihafa.

Liin

Partager sur: