« Slam national 14 » : tompondakan’i Madagasikara i Santa

Tontosa ny faran’ny herinandro teo, teny amin’ny Intsitut Français de Madagas­car (IFM) Analakely, ny lanonam-pamaranana ny “Slam national 14”. Notanterahina nandritra izany koa ny dingana famaran’ny fifaninanana nasionaly teo amin’ity taranja iray ity.
Santa, mpiangaly “Slam poèsie” avy any Antsirabe no voahosotra ho tompon-dakan’i Madagasikara, rehefa avy ni­faninana tamin’ireo mpandray anjara niisa fito. Nifaninana taminy, teo amin’ny dingana famaranana i Vitsika, Orad, Konahy, Kalary, Conan ary Disquette. Orad no teo amin’ny laharana faharoa ary Konahy no teo amin’ny fahatelo. Raha ho an’ireo mpandresin’ny fifaninanana hafa, Apandy Misaona, “Slam à l’U”. Voromahery sy Saba, “Slam Media”. Ludo Kalams, “Sl’ami”. Ny tanànan’Antsora­na­na kosa no nahazo ny laharana voalohany, teo amin’ny fifaninanana isan-tanàna
Nifarana hatreo ny mahakasika ny fifaninanana nasionaly “Slam poèsie”. Hiatrika sy hanomana ny fifaninanana iraisam-pirenena indray ny tompon-daka taona 2024 ma­nomboka izao. “Hita ho tena efa avo lenta ny Slam poèsie eto Madagsikara, ary efa tena afaka mifaninana amin’ny any ivelany isika”, hoy i Hichim, tompondaka 2023. Raha tsiahivina, any Paris no hanaovana ny fiadiana ny ho tompon-daka maneran-tany, amin’ny taona 2024. Santa indray, araka izany, no hisolontena antsika amin’izany.

Lin

Partager sur: