Firenena mikambana : “Zava-dehibe ny fifidianana eken’ny rehetra”

Namoaka ny tatitra amin’ny diany teto amintsika ny iraka manokan’ny Firenena mikambana (ONU), ny faran’ny herinandro teo. Maromaro ireo teboka notsindrin’izy ireo manokana.

Notsiahivin’ny fanambarana fa anton-dian’ireto delegasiona notarihin’i Parfait Onanga-Anyanga, eo anivon’ny ONU, ireto ny fanaraha-maso ny fizotry ny fikarakarana ny fifidianana, hatao ny 9 novambra izao. Nihao­nan’izy ireo tamin’ny lehibena Andrimpanjakana, toy ny Fi­tsa­rana avo momba ny La­làmpanorenana (HCC) sy ny Ceni ary koa ny filohan’ny Ante­nimierandoholona izany. Nitohy amin’ny fihaonana ta­min’ny praiminisitra lehiben’ny Governemanta ifarimbonana sy ireo filoham-piangonana eo anivon’ny FFKM izany. Teo koa ny fihaonana tamin’ireo kandidà miisa 13, hiatrika ny fifidianana.
Nohamafisin’ny tatitry ny ONU ny momba ny fifidianana. “Zava-dehibe ny fanatanterahana izany anatin’ny mangarahara sy madio ary mba ho eken’ny vahoaka malagasy ny voka-pifianana eo. Hiteraka fitoniana izany”, hoy izy ireo.
Nohitsin’izy ireo koa ny tokony hanajan’ny rehetra ny Lalàmpanorenana, ankoatra ny fitandroana ny filaminana sy ny fitoniana.
Anisan’ny notsindrin’ny fanambarana sy ny tatitra ary niverimberina ny maha zava-dehibe ny fifidianana milamina sy itokisana ary ny voka-pifidianana eken’ny rehetra. “Mba ho antoky ny fampandrosoana eto Madagasikara sy hanatrarana ny tanjon’ny fampandrosoana maharitra “ODD”, miaraka amin’ny fanohanan’ny sehatra iraisam-pirenena”, hoy hatrany ny iraky ny ONU.

Synèse R.

Partager sur: