Governora faritra Analamanga : “Efa leo ny olona ka tsy hanao sorona ny fiainany intsony”

Anisan’ireo naneho ny heviny manoloana ny toe-draharaha politika ny governoran’ny faritra Analamanga, Rasoamaromaka Hery. Nambarany fa noforonina ireny savorovoro ireny…

“Efa leo ny olona, tsy te hanao sorona ny fiainany intsony amin’ny fanakorontanana”, hoy ny governoran’ny faritra Ana­lamanga, Rasoamaromaka Hery, teny Ambohidahy, om­aly, manoloana ny hetsiky ny vondrona kandidà nitarika olona nidina an-dalambe. Rehefa misy korontana eto ary misy voasambotra amin’ny zava-tsy rariny: asain’ny mpanao politika mandika lalàna ny olona, lazaina ho politika rehefa migadra. Herinandro ihany ny mpanao politika no mitabataba; avy eo, hadino ny olona migadra.

Isaorany an’ireo mpitandro filaminana, tena mandray andraikitra miaro ny andrimpanjakana ary ny vahoaka sy ny fananany. Raha misy olona mandrahona hanafika ny tranon’ny tena, hakatona ny varavarana. Efa niteny ry zareo vondrona kandidà fa ho avy hanakorontana, anjaran’ ny mpitandro filaminana ny mandray andraikitra. “Efa tena lomorina ny fanaovana poli­tika, mila olona mitarika ho amin’ny tsara”, hoy izy. Amin’ny alalan’ny inona moa no hahazoan’ny kandidà 11 milaza hoe ovaina ny HCC sy ny Ceni? Tsy aleo ve tohizana ny fanaovana fampielezan-kevitra fa manana hevitra tsara? Matoa naka laharana ireo kandidà, efa manaiky izay.
Savorovoro foronina sy fanakorontanana saim-bahoaka no misy, fa tonga saina ny vahoaka. Tsotra ny atahoran’ny vondrona kandidà: tsy mbo­la nisy filohan’ny Repoblika nahavita fotodrafitrasa betsaka no ho izao. Eo koa ny fanampiana amin’ny alalan’ny minisiteran’ny Mponina.

R. Nd.

Partager sur: