Hizara sy hitondra ny talentany mandritra ny “Festival International de Street Art” i Mat Li. Ny “Street Art” izay efa misehatra amin’ny fandavorariana ny vinam-pampandrosoana lovainjafy, ankoatra ny maha fanaingoana sy fanomezana endrika ny tanàna azy.
Tanterahina ao amin’ny tanànan’i Saint- Denis sy Saint André, La Réunion, nanomboka ny 1 oktobra teo hatramin’ny 29 oktobra 2023, ny «Festival International de Street Art” andiany fahadimy. Atrikasa, fampirantiana, fampisehoana ary fifampizarana sy lalao fifaninanana no hameno ny fandaharam-potoanan’ity hetsika ity. Mpiangaly “Street Art” maro samihafa no ho avy ao La Réunion, mandritra ireo fotoana ireo. Misolontena antsika Malagasy, ary mandray anjara amin’ity hetsika ity i Mat Li na Mathieu Li Cho Hsien. “Efa tafapetraka ao anatin’ny Festival International de Street Art ireo singa entina misarika an’ireo mpahay kanto sangany eo amin’ny Street Art maneran-tany. Natao izany mba hahatonga ny hetsika ho hetsika goavana maneran-tany sy hanohanana ny mpahay kanto miangaly izany eto an-toerana sy aty amin’ny ranomasimbe Indianina.” hoy Elso-Lsa, namorona ity hetsika ity.
Ambohipihaonan’ny mpankafy “Street Art” na ireny karazana fanaovana sary eny amin’ny rindrina, eny amin’ny arabe, ireny ny ao amin’ny nosy La Réunion. Sangany amin’ity haikanto ity miisa enina no ho avy ao an-toerana, hitondra sy hizara ny traikefany sy haneho ny talentany, ankoatra ny avy ao amin’ ity nosy ity, mandritra ny hetsika. Ao koa i Mat Li, Malagasy sangany amin’ny “Street Art”, i Bélin avy ao Espagne, Shiron avy ao Japon, Besok avy ao Allemagne,… Hotronin’ireo mpiangaly “Street art” malaza maneran-tany. Trano lehibe miisa 14 ao Saint Denis sy Saint André no efa vonona, ahafahan’ireo mpiangaly “Street Art” maneho ny haikantony, mandritra ity hetsika ity.
Lin