Hira avy any atsimo : manandratra ny tsikidona ny Mahafaly Mihisa

«Mahafaly», anarana foko iray any atsimon’ny Nosy. «Mihisa», adika amin’ny hoe : misôma na milalao. Niorina tany Betioky, ny taona 2012, ny tarika Mahafaly Mihisa.

«Ny fampahanfatarana sy fanandratana avo, eto an-toerana sy hatrany ivelany ny tsikidona (iray amin’ireo mandrafitra ny tsapiky nentim-paharazana avy any atsimo) no antom-pisianay. Tononkira, mirakitra hafatra mafonja
tarafina avy amin’ireo trangam-piainana, sahaza ny olona tsirairay», hoy i Voniandro Marcel, «manager»-n’ny tarika.

Niteraka asa ho an’ireo tanora manan-talenta amin’ny hira, mozika, dihy, any an-toerana, ny nijoroan’ny tarika. Mahafehy gadona hafa toy ny salegy, «slow», Mahafaly Mihisa.
Tsikidona, maneho sy mirakitra ny kolontsaina malagasy
Tsikidona, manetsika ny tapany ambonin’ny rantsambatana rehetra amin’ny dihy. Tsy misaraka amin’ny tsikidona ny taovolo talidogo sy ny fisalorana ny lamba mandiavola ary ny fampiasana ny zavamaneno «mandoline». Tsikidona, fanao amin’ny havoria (fombafomba atao rehefa misy nodimandry) sy ireo lanonana amin’ny endriny marolafy toy ny savatse, bilo, sns, any atsimon’ny Nosy.
Tsy mitsahatra mikaroka ho amin’ny fanatsarana ny tsikidona ny tarika. Anisan’ny efa nataon-dry zareo ny fampiarahana azy io amin’ny gadona hafa toy ny salegy.

HaRy Razafindrakoto

Partager sur: