Nanatanteraka hetsika fanentanana ny tanora hifidy teny ankadikely Ilafy, ao amin’ny distrikan’Avaradrano, ny sabotsy 30 septambra teo, ireo tanora mpikambana eo anivon’ ny “Youth Leadership Seminary -Yols”. Tanora mpikambana avy amin’ny antoko politika maro samihafa izy ireo ary nahazo fiofanana manokana teo anivon’ny “Friedrich-Ebert-Stiftung – FES”. Niezaka nampitovy fijery ary resy lahatra fa zava-dehibe ny fampandraisana anjara ny tanora amin’ny fifidianana. Anisan’ny antony nifidianana manokana ny eny amin’ny distrikan’Avaradrano ny hamaroan’ireo tanora eny amin’iny faritra iny. Maherin’ny 50% ireo tanora mpifidy eny an-toerana.
Ny kandidà tokony hofidina
Nambaran’ny mpanentana tamin’izany fa anisan’ny tanjona ny mba hananan’ny tanora ny anjara masoandrony eo amin’ny fiainana. “Ahafahany manohy ny fianarany ary koa ny ahazoany asa mendrika”, hoy ireo avy amin’ny Yols. Notsiahivin’izy ireo fa ny kandidà manana vina matotra sy azo tanterahina no tokony ho fidina. Hitohy amin’ny distrika na faritra hafa ny hetsika tanterahin’izy ireo tahaka izao.
Tsiahivina fa nanafana izany amin’ny maha hetsiky ny tanora azy ireo mpanakanto samihafa amin’izao fotoana izao, ankoatra ny hetsika fanentanana ho amin’ny fifidianana.
Synèse R.




