Kandidà Andry Rajoelina : tafapetraka ny IRMAR

Vonona ny handeha hatramin’ny farany ny kandida laharana fahatelo, Andry Rajoelina. “Tsy misy hahasakana antsika tsy hiroso hatramin’ny farany”, hoy izy.

“Ankehitriny, raha kandidà aho: tsy misy olona na andian’olona na vondron’olona hahasakana antsika tsy hiroso hatramin’ny farany”, hoy ny kandidà n° 3, Rajoelina Andry, tamin’ireo mpanohana azy teny amin’ny Arena, Ivandry, omaly, manoloana ny fitakian’ny vondron’ny kandidà. Tonga nanatrika izany ireo depiote 111, ny tangalamena sy ampanjaka avy amin’ny faritra, mpitarika antoko, mpitondra fikambanana, olom-boafidy, toy ny ben’ny Tanàna…
Raha milaza ireo mpanohitra hoe tsy mahay mitantana izy, tsy nahavita inona, tsy nampandroso, nampahantra ny Malagasy: raha tena mino an’izany izy ireo, ny vahoaka ihany no afa-kitsara hoe niasa izy sa tsia, nahavita sa tsia… ? Aleo ny vahoaka no hitsara. Tsy misy olona afa-kandrombaka na hanafaka na hanageja ny fahefan’ny vahoaka malagasy. Tsy hanao sorona ny tenany toy ny tamin’ny 2013 intsony izy, ka hoe tsy hirotsa-kofidina. Fantany fa betsaka ny vahoaka ao an-damosiny, araka ny nambarany.

Tandremo ny teny havoaka
Fampandrosoana ny firenena no tanjona. Tsy mila fanakorontanana ny firenena. Olona afa-kampiray ny Mala­gasy sy tsy manavakavaka no tokony hitondra. Tsy mila olona manavakavaka ka hiresaka foko, loko, finoana, fiaviana… “Ny tiako holazaina aminareo mpanakorontana sy mpandrava, tsy ianareo no hiteny na hilaza amiko na hanala ny fitiavan-tanindrazana ato am-poko ka hiteny ahy fa tsy Malagasy aho. Tsy ianareo no hanafaka ahy tsy hikarakara sy hanasoa an’i Mada­ga­sikara. Tandremo ny teny avoaka sy ny fihantsiana, fa tsy ekenay izany”, hoy izy.

R. Nd.

Partager sur: