Antso avo avy amin’ny FFKM: “Aleo halalaka ny fanehoan-kevitra”

Nanao fanambarana, ma­noloana ny tranga amin’izao fotoana izao, ny eo anivon’ny FFKM, omaly. Anisan’ny notakin’izy ireo ny hisian’ny fahalalahana maneho hevitra.
Nambaran’ireo filoham-pian­gonana manoloana izao savorovoro sy fifampihantsiana isan-karazany izao fa ahina hipaka hatramin’ny fa­moizana aina sy faharavana fananana izany.
Nanterin’izy ireo ny antso avo hifampiresahana toy ny efa natao tamin’ny ankolafin-kery rehetra, araka ny fanambarana. “Mba hamerina amin’ny laoniny ny filaminana sy hi­ka­ro­ham-bahaolana hivoahana amin’izao krizy izao. Mitaky ny hampitsaharana ny fifampihantsiana sy ny fifandranitana, miteraka fifandonana ihany koa izahay”, hoy izy ireo.
Dinika naharitra ora roa
Hentitra ireo filoham-piangonana niantso sy nitaky ny hampitsaharana ny fifampihantsiana sy ny fifandranitana, miteraka fifandonana. “Aoka halalaka ny fanehoan-kevitra”, hoy ihany izy ireo. Nentanin’ny FFKM ny rehetra hisoroka ny herisetra. Nanka­he­ry sy nirary fahasitranana ho an’ireo naratra koa izy ireo.
Tsiahivina fa nandray ireo kandidà ny FFKM, omaly hariva. Tsy nisy nipika ny dinika naharitra ora roa. Niatrika iza­ny ny kandidà isany, Ravalo­manana Marc, Rajaonari­mampianina Hery, Andria­naina­rivelo Hajo, Ratsiraka Roland, Razafinjoelina Tahi­na, Raderanirina Sendrison, Paraina Auguste, Ratsietison Jean Jacques. Solontena kosa ny an’ny kandidà, Randria­nasoloniaiko Siteny sy Razafintsiandraofa Brunelle. Tsy tonga sady tsy nandefa solontena ny kandidà Andry Rajoelina.

Synèse R.

Partager sur: