Feno 100 taona: navoaka ho boky ny « Hiram-bavaka » sanganasan’i Rado

Mpanoratra tononkalo… Nisy tamin’ireny no navadiny ho tononkira. Feno 100 taona i Rado. Navoaka, omaly, ilay boky mirakitra ireo hiram-bavaka nosoratany.

Andriamanantena Geor­ges na i Rado. Mpa­nakanto feno. Iray amin’ireo talenta maro ananany ny fanoratana. Nisy tamin’ireny tononkalo nosoratany ireny no navadiny ho tononkira. Anisan’izany ny «Aza avela hahalala», «Mba tantanonao ry Raiko». Noraiketina ao anatin’ny boky «Hiram-bavaka», izay navoaka, omaly, tao amin’ny Tranom­bokim-pirenena Anosy izy ireny. 84 pejy ny «Hiram-bavaka». Misy fizarana telo. Fanolorana ireo hira, izay ahitana ny fanazavan-dRado ny antony namoronany azy. Tononkira sy solfa ho an’ny mpihira ary solfezy ho an’ny mpitendry. Ny minisiteran’ny Serasera sy ny kolontsaina no nandray an-tanana ny fanontana. Nambaran’ny minisitra Lalatiana Rakoton­drazafy, nandritra ity famoahana ny boky «Hiram-bavaka» ity fa : “amim-pihetseham-po sy amin-kafaliana tanteraka, araka izany, no nahafahako nanampy sy nahafahan’ny mpiara-miasa eto anivon’ny minisitera nanosika ny asa soratra sy ny aingam-panahina mpanoratra manana lenta anisan’ny ambony indrindra teto amin’ny firenena tahaka an’i Rado, manome aina ny asa sorany. Hoy aho nandritra ny lanonana natao tao amin’ny Tranombokim-pirenena, ny volana mai: anisan’ny ankafizako an’i Rado dia izy olona feno: olon’ny fitiavana, olon’ny finoana ary tena olon’ny firenena, nanolo-tena ho an’ity tanindrazantsika ity… Azon’ny rehetra hiraina sy hampiasaina ary vakina ny boky. Azon’ ny taranaka faramandimby lovaina».
Tamin’ny taona 2008 no nokasain-dRado havoaka ity boky ity, saingy tsy tontosa izany satria nindaosin’ny fahafatesana izy.

HaRy Razafindrakoto

Partager sur: