Volana oktobra: hisy ny « Atrikefa bagasy »

Anisan’ny fandaharam-potoana efa zary raikitra ho an’ny mpitia bagasy ny «Atrikefa». Ho an’ity volana oktobra ity, hotanterahina ao amin’ny Ivontoeran’ny kolontsaina malagasy (IKM) etsy Antsahavola izany ny sabotsy 7 oktobra izao, manomboka amin’ny 2 ora sy sasany.
Hivelatra be ny fihaonana satria halalaka ny fizarana sy fifanakalozana traikefa eo amin’ny hira sy ny fitendrena zavamaneno gadona bagasy. Afaka mitondra izay zavamaneno hainy mitendry na mitsoka ny tsirairay hoentina haneho ny hakanton’ny hira bagasy. Hisy rahateo ny sehatra malalaka ahafahana manatanteraka ny fifanakalozana. Samy hitondra sy hampahafantatra ny fomba ifehezany ny bagasy avokoa ny rehetra ho tonga eny an-toerana.
Marihina fa ny Sehatra ba gasy (SBG) no mikarakara ny «Atrikefa bagasy». Raha ireo efa zoky no navitrika nanatrika izany teo aloha. Ankehitriny, maro ny tanora liana amin’ny fihirana sy fitendrena bagasy. Raha ny zavamaneno piano no nahazatra ny maro sy nadikany ho «zavamanenon’ny bagasy», fahiny. Omen’ny Sehatra ba gasy laka ihany koa ny zavamaneno hafa, tahaka ny gitara sy ny valiha.

HaRy Razafindrakoto

Partager sur: