« Prix Jeunes Ecritures 2023 » : azon’Andriantsitoherinteny Ariella

Azon’Andriantsitoherinteny Aradrariny Ariella, na Kaira Futur, ny amboara “Prix du Jury”, nandritra ny “Prix Jeu­nes Ecritures 2023”, nokarakarain’ny Agence universitaire de la Francophonie (AUF). Fifaninanana natokana ho an’ny mpianatra aty amin’ny tany miteny ampahany na manontolo ny teny Frantsay. Tanjon’ny AUF ny hampaherezana ny tanora amin’ny fanaovana asa soratra amin’ny teny Frantsay sy hampiroborobo izany asa soratra izany.
Natolotry ny mpitsara an’i Kaira Futur, araka izany ny “Prix du Jury”. “Prochaine Arrêt” io no lohatenin’ny laha­tsoratra nentin’ity Malagasy mpahay kanto ity nambabo ny fon’ny vondron’ny mpitsara, notarihin’ilay mpanoratra avy ao Québec, i Antoine Des­jardins. Mitentim-bidy 2000 Euros ity amboara azon’i Kaira Futur ity. Ankoatra izay, hahazo fivahinianana any ivelany, arahina fampiofanana ihany koa ity Malagasy mpanoratra ity.
Nahatratra 306 ireo asa soratra tonga nandray anjara nandritra ny fifaninanana. Miisa 247 no voatazona hifaninana ary telo no nahazo ny amboara. Kaira Futur, “Prix du Jury”, Margelly Daniev, “Prix Public” ary Falandry Kaitchy, “Prix Coup de Cœur”. Ham­bara mandritra ny «Semaine mondiale de la Francophonie scientifique», ny 30 oktobra ha­tramin’ny 3 novambra 2023 ny mpandresin’ny fifanina­nana.

Lin

Partager sur: