« Cosafa women’s cup »: vonona hidona amin’ i Eswatini ny Barea

Hiditra an-tsehatra, anio alarobia, ny Barea de Madagas­car, sokajy vehivavy, eo amin’ny fiadiana ny ho tompondaka ho an’ny tapany atsimon’i Afrika na ny “Cosafa women’s cup 2023”. Fihaonana hotanterahina ao amin’ny kianja Lucas Moripe, Afrika Atsimo, manomboka amin’ny 2 ora tolakandro, eto Madagasikara.
Hidona voalohany amin’ny Barea, ry zareo Eswatini na Swazilande, teo aloha. Vonona tanteraka ireo tovovavy malagasy hiatrika izany. Marihina fa fandraisana anjara faninefany ho an’ny Barea ity, raha fanintsiviny kosa ho an-dry zareo Eswatini. Manantombo eo amin’ny traikefa sy ny fahazaran-dalao aloha izany ity mpifanandrina amin’ny Barea ity. Raha tsiahivina, efa tany amin’ny taona 2019 ny fandraisana anjaran’i Madagasikara farany ho an’ity fifaninanana ity. Tsy ni­voaka vondrona saingy nitana ny laharana fahatelo, tao amin’ny vondrona “A” nisy azy. Resin’i Afrika Atsimo, mpampiantrano sy i Malawi ary nandresy an’i Comores. Amin’ity, mbola miray vondrona amin’i Afrika Atsimo sy i Malawi indray ny Barea.

Tompondaka

Partager sur: