Nanao ranolava ny fitakiana. Nanao fanambarana tetsy Bel Air ireo olom-boafidy Tim, omaly. «Manameloka tanteraka ny nisamborana amin’ny tsy misy fotony sy tsy misy antony ary koa ny itazonana tsy araka ny lalàna ny sekretera jeneralin’ny Tim, Randriamasinoro Rina, izahay», hoy ny depiote Rabenirina Mamy. Nohamafisin’ny birao politika nasionaly izany ka nitakin’izy ireo ny hamoahana tsy misy hatak’andro ity mpitarika azy ireo ity. Tsy azo ekena ny endrika antsojay sady tsy manaraka ny lalàna ary tsy misy antony manokana hatramin’izao ny fihazonana azy, mihoatra amin’ny tokony, araka ny fanambarana. «Takinay ny maintsy hamoahana azy anio (omaly)», hoy izy ireo.
Nanamafy izany avokoa ireo rantsana any amin’ny faritra. Anisan’izany ny Tim sy ny KMMR any Atsimo Andrefana. «Endriky ny fanakanana ny fahalalahana maneho hevitra ireny fisamborana ireny ka tsy azo ekena», hoy izy ireo, tao Toliary, omaly. Nohamafisin’ny fanambarana koa fa manohana ny hetsika ataon’ny vondron’ny kandidà 11 «Collectif des candidats» izy ireo ka anisan’ny hanatevin-daharana ny hetsika fanehoan-kevitra sy fitakiana. Hotanterahina eo amin’ny kianjan’ny demokrasia Amorondriaky, anio izany, iarahana amin’ireo ankolafin-kery maro any an-toerana.
Niray feo koa ireo mpisolovava maromaro fa tsy ara-dalàna ny fomba nisamborana ny SG an’ny Tim.
Synèse R.




