“Haikanto ary tena kolontsaina tokoa ny hatsikana” hoy Ralijaona Mamy, tomponandraikitry ny « Festival du Rire Jôkôsô ». Ao anatin’ny hetsika hanatrarana ny vina, ny amin’ny fampivelarana ny hatsikana malagasy izy ireo amin’ izao, ary anisan’izany ny « Festival du Rire Jôkôsô ».
Tanterahina ny 11 hatramin’ny 14 oktobra 2023, eny amin’ireo ivontoerana maro samihafa eto Antananarivo ny « Festival du Rire Jôkôsô » andiany fahatelo, karakarain’ny Gasy Stand Uppers. Fampisehoana, atrikasa, fizarana sy fifampizarana traikefa sy fahaiza-manao no hameno ny fandaharam-potoanan’ny hetsika. Tanjona ny hampitambatra ny Malagasy mpanao hatsikana sy hampivelatra izany eto Madagasikara ary hampiroborobo ny karazany toy ny “Stand Up” eto Madagasikara. Nisy ny valandresaka ho an’ny mpanao gazety nampahafantarana ny mahakasika izany hetsika lehibe eo amin’ny hatsikana izany.
Hiditra amin’ny andiany fahatelo ny “Festival du Rire Jôkôsô”, taorian’ny andiany roa feno fahombiazana. Maro ny hampiavaka ity andiany fahatelo ity, raha oharina amin’ny andiany roa teo aloha. Eo ny fizarana fitaovam-pianarana ho an’ny ankizy 70 isa ao amin’ny Akany Felana Maitso Morondava. Manampy izany ny fandraisan’anjaran’i Fafa sy Océane, mpanao hatsikana avy ao La Réunion. Tsy adino koa ny tafa an-jotra ataon’i Avotcha sy Elodie Arnould, Malagasy mpanao hatsikana, monina any Eropa. Ankoatra izay, miisa 32 izy ireo no hifarimbona hanatontosa ity hetsika lehibe ity eto an-toerana. Handray anjara ao avokoa ireo Malagasy kintan’ny hatsikana, sahala amin’i Gothlieb, Dadavy, Françis Turbo… hotronin’ireo vao misandratra sy manana ny maha izy azy ankehitriny.
Lin