Zakahely Boniface : “Maika ny fikaonandoha…”

Nitondra ny heviny, manoloana ny raharaham-pirenena, ny depiote teo aloha, i Zakahely Boniface. Tsy mankasitraka ny fifanarahana politika ny tenany raha hikaroka vahaolana manoloana ny tsy fitoviam-pijery eo amin’ny mpanao politika amin’izao fotoana izao. “Tsy misy afa-tsy ny fikaonandoham-pirenena anatin’ny fotoana fohy, hanovana ny Lalàmpanore­nana mampifanditra antsika sy niteraka korontana teto no hany vahaolana. Mitondra antsika ho any amin’ny fitoniana izany”, hoy izy, tetsy Anosy. Nanteriny fa tonga ny fotoana hirosoana amin’izany, iarahana amin’ny FFKM sy ireo ray aman-dreny ara-drazana, ny silamo miaraka amin’ny hery velona eto amin’ny firenena. Tafiditra ao anatin’izany koa ireo admninistratera sivily, araka ny nambarany. Nohitsiny fa tsy nahavaha olana teto amin’ny firenena izany fifidianana izany. Rangory fototry ny afo sady nampikorontana ny Lalàmpano­renana amin’izao fotoana izao io.
Ho tonga hatraiza izao antsoantson’ity depiote teo aloha ity izao ?

Synèse R.

Partager sur: