Miziriziry ny kandidà 11 : tsy nilefitra ny Emmo/Nat

“Baikon’ny prefet no tanterahanay mba ho fanajana ny lalàna”, hoy ny avy amin’ny Emmo/Nat. “Tsy manaiky famoretana izahay”, hoy kosa ny kandidà 11. Mitohy kosa ny fanelanelanana ataon’ny FFKM.

Nitorajofo ny entona ma­nempotra teny Anka­zomanga sy Antani­mena, afakomaly. Dimy ireo voasambotra ary enina naratra: ny kandidà laharana fahadimy, Ravalomanana Marc sy mpanao gazety roa, miampy depiote sy olon-tsotra iray. Nisy fiara 4×4 iray nogiazana koa, voalaza fa nitondra fanamafisam-peo. Nanamafy ny eo anivon’ny mpitandro filami­nana, nihaona tamin’ny mpanao gazety, teny amin’ny Toby Ratsi­mandrava, fotoana fohy talohan’ny nanaparitahana ny mpanao fihetsiketsehana fa tsy nahazo alalana ho ao amin’ ny Kianjan’ny 13 mai ny Von­dron’ny kandidà. “Tsy maintsy mampihatra ny lalàna sy ma­natanteraka ny baikon’ny prefet Antananarivo izahay”, hoy ny Jly Andriamasimanana William, lehiben’ny Etama­zaoro lefitra, amin’ny Tafika.

Tsy niverin-dalana

Tsy nanaiky lembenana kosa ny Vondron’ny kandidà 11 sy ny mpanara-dia azy. Ni­famotoana vao maraina tamin’ ny faritra maro manodidina an’Analakely mialoha ny fifamotoana teny Ankazomanga. Tsy nanaiky ny ho eny An­tson­jombe izy ireo satria efa amin’ ny 10 ora alin’ny zoma vao mamoaka filazana ny pre­fektio­ran’Antananarivo. “Tsy fanajana sy fanaovana tsinon­tsinona anay izany”, hoy ny kandidà Ratsiraka Rolland.
Mandritra izany, miala nenina hatrany ny FFKM. Nisy ny fihaonana tamin’ny solon­tenan’izy 13, kandidà ho filoham-pirenena, natao teny Ampandrana. Nitarika ny avy amin’ny kandidà laharana fahatelo, ny ben’ny Tanànan’ Antananarivo, Andriantsito­haina Naina sy Andriamana­noro Augustin.

Randria 

Partager sur: