Inona koa ity fepetra nilatsaka tampoka ity? Toy ny vara-datsaka tokoa no nandraisan’ireo mpanakanto, tompona trano filanonana sy fialamboly, mpikarakara « cabaret », sns, raha naheno fa misy « couvre-feu » mihatra tampoka ny zoma teo, manomboka amin’ny 10 ora alina. Tsy nisy niomanana akory fa efa ny alina vao nivoaka ny fanapahan-kevitry ny prefektioran’ny polisy eto Antananarivo Renivohitra. Amin’ny maha didy mihatra avy hatrany izany, maro ireo efa nandray ny fepetra ka voatery nandroaka ireo mpialavoly nialohan’ny tamin’ny 10 ora alina. Rehefa avy niparitaka ny feo ka efa samy naka fepetra ireo toeram-pialam-boly vao nilatsaka indray hoe foana ilay « couvre-feu »… Ny mpiala voly na efa nody na niverina an-dalana. Araka izany, be ny fatiantoka vokatry ny fandraisana fepetra tsy ampy fiheverana matoa niverenana. Iza hatrany anefa no mizaka ny vokany?
Zo ny Aina