Fikambanan’ny mpikabary malagasy maneran-tany (Fi.Mpi.Ma maneran-tany). Nosokafana ny sabotsy teo, tamin’ny fomba manetriketrika, nanaraka ny fenitra Fi.Mpi.Ma ny taom-pianarana kabary 2023 – 2024 eo anivon’ity fikambanana zokiny indrindra amin’ny fikajiana sy fampivelarana ny kabary malagasy ity. Fotoana nanehoan’ Andriamboavonjy Hanitra, filohan’ny Fi.Mpi.Ma maneran-tany, tamin’ny alalan’ny tarehimarika ny halehiben’ny sehatra iasan’ny fikambanana.
Ny taom-pianarana 2023 teo no maro indrindra ny mpianatra navoakan’ny Fi.Mpi.Ma tao anatin’ny 60 taona nitsanganany. Nahatratra 2 500 izy ireo ka Antsirabe no maro indrindra satria nahatratra 1 042. Miisa 317 ireo mpampianatra niara-nisalahy tamin’ny fampianarana. 259 kosa ny toeram-pampianarana (eto Madagasikara sy any ivelany).
Marihina fa tamin’ny alalan’ ny « Zoom » sy « facebook » no nanatanterahina ity fanokafana ny taom-pianarana 2023 – 2024 ity. Samy nanao ny hetsika nifanandrify tamin’ izany kosa ny sampana tsirairay.
Taorian’ny fanokafana nanaraka ny fenitra Fi.Mpi.Ma, niroso avy hatrany tamin’ny atrikasa ho an’ireo mpampianatra na ho an’ireo maniry ny ho mpampianatra (andiany faharoa) ny fandaharam-potoana. Nomarihin’Andriamboavonjy Hanitra fa maro ny vita fa mbola misy ihany koa ny asa miandry.
HaRy Razafindrakoto