Nanao hetsika tsy fankasitrahana ny korontana ireo olom-pirenena tsotra, omaly tamin’ireo boriborintany enina eto an-drenivohitra. Niantso ny tokony hifantohana amin’ny fifidianana sy fitoniana izy ireo.
Manomboka ny fampielezan-kevitra! Nivoaka amin’ny fahanginany ihany koa ireo olona manohana ny fanatanterahana ny fifidianana. Nanentana ny tokony hametrahana tontolo milamina izy ireo. “Mitsipaka marindrano izay manakana izany izahay”, hoy izy ireo, nitondra sora-baventy. Nanterin’izy ireo fa manome zo hanao hetsika ny demokrasia. Zo fototra ho an’ny olom-pirenena koa anefa ny fandatsaham-bato. Tafiditra amin’ny dingana demokratika izany. Anisan’ny zava-dehibe ny anjara biriky ho entin’ireo mpanao politika amin’ny fametrahana fitoniana. “Mafana tokoa ny raharaha politika amin’ny fotoam-pifidianana tahaka izao nefa tsy tokony hanaovana lahateny fihantsiana”, hoy izy ireo. Nambaran’ny hafa kosa fa tokony ho ao anaty fifanajana tanteraka sy fifandeferana ny adihevitra eto amin’ny firenena. « Tsy azo ekena ny fampizarazarana sy ny fanelingelenana ny andavanandrom-piainanay”, hoy izy ireny.
Firaisankinan’Iarivo
Nifamory, tonga maro tetsy amin’ny kianja mitafo Mahamasina ny Firaisankinan’Iarivo ho fampandrosoana (Fif), miara-miasa amin’ny ben’ny Tanàna, Andriantsitohaina Naina, omaly. Miray hina ao anaty komity iray manohana ny kandidà laharana fahatelo izy ireo ary ahitana ireo fikambanan’ny mponina isam-pokontany, ny fikambanan’ny mpivarotra sy ireo manam-pahaizana… “Tsy azo ekena ny fanapotehana ny firenena… Vonona hiroso amin’ ny fifidianana mba hipetrahan’ny filaminana. Manentana antsika hifidy hanehoana fa mahay manao fifandimbiasam-pitondrana ara-pomba demokratika isika”, hoy izy ireo.
Randria sy Mino




