Fanelanelana iraisam-pirenena : mitaky fitoniana ny eo anivon’ny Sadc

Nandray ireo Vondron’ny kandidà 11 tetsy Ankorondra­no, omaly, ny masoivohon’i Afrika Atsimo, Sisa Ngomba­ne, sady solontenan’ny Sadc eto amintsika. Niantso fitoniana ny tenany tamin’izao fihaonana izao, manoloana ny hetsika eto an-drenivohitra efa ho herinandro izao. Nambarany koa fa ho avy eto mialoha ny fifidianana ny eo anivon’ny Sadc ka hametraka iraka mpanara-maso ny fifidianana. Nampahafantarina koa ny votoatin’ny fivoriana tsy ara-potoana nataon’ny komitin’ny telo tonta ao amin’ny “Troika MCO” eo anivon’ny Sadc, natao ny 26 septambra teo. Nanambara kosa ireo kandidà avy eo, tetsy Antaninarenina, fa mitohy ny hetsika hampangarahara ny fifidianana, na efa hiditra amin’ny fampielezan-kevitra, tsy manara-dalàna aza anio. “Vonona hijoro ha­tramin’ ny farany izahay”, hoy izy ireo manoloana ny fanamparam-pahefana sy fampihorohoroana ataon’ny mpitandro ny filaminana.
Fihaonan’ireo masoivoho tamin’ny kandidà Rajoelina

Etsy andaniny, nandray ireo masoivoho vahiny sasany kosa ny kandidà laharana fahatelo, Andry Rajoelina, teny Ivandry, omaly io ihany. Tsy nisy nipika ny dinika teo amin’izy ireo. Na izany aza, tombanana fa ny zotram-pifidianana hirosoana amin’izao fotoana izao no votoatin’izany. Anisan’ny teny an-toerana ny solontenan’ny Vondro­na eoropeanina (UE), i Isa­bel­le Delattre, ny solontenan’ny Sadc sady masoivohon’i Afri­ka Atsimo, i Sisa Ngom­bane, ary koa ny masoivo­hon’i Frantsa, i Arnaud Guillois…

Synèse R.

 

Partager sur: