« Bibliothèque Municipale » Analakely : misokatra indray amin’ny endriny nohavaozina sy nohatsaraina

Toerana manana ny maha izy azy amin’ny Malagasy, indrindra ho an’ny eto Antananarivo, ny “Bibliothèque municipale”. Izany indrindra no nanaovana izao fanavaozana sy fanatsarana azy izao. Malagasy sy vahiny mpahay kanto no nifarimbona nanaingo ny toerana tamin’ny alalan’ny haikanton’izy avy.

Tontosa omaly ny lanonana fitokanana ny Biblio­thèque médiathèque municipale Analakely, izay nohavaozina. Tomponan­draikitra maro avy eo anivon’ny kaominina Antananarivo renivohitra (CUA), notarihin’ny ben’ny Tanànan’Antana­nari­vo, Naina Andriantsitohaina sy ireo solontenan’ny masoivohon’ny Japon sy Frantsa no niatrika ny lanonana. Fiaraha-miasan’ny CUA, tamin’ny firenena malagasy sy Japoney ary Frantsay no nahatontosan’ny tetikasa fanavaozana. Ankoatra ny maha « Bibliothè­que » azy, lasa « Mediathè­ques » ihany koa ity toerana ity, izany hoe, ahitana fitaovana niomerika sy afaka mampiasa internet ireo mpikambana. Misokatra ho an’ny rehetra indray, araka izany, ity toerana manana ny maha izy azy ity, manomboka izao.
« Mendrika ny hahazo fo­todrafitrasa ahafahana mivoatra sy mivelatra ny Malagasy, indrindra ny mponina eto amin’ ny tanànan’Antananarivo re­nivohitra », hoy i Naina Andriantsitohaina, ben’ny Ta­nà­nan’Antananarivo. Trano famakiam-boky ahitana boky manodidina ny 4 000 isa sy fitaovana niomerika maro samihafa ity notokanana ity. Hita eny ihany koa ny toerana voatokana ho an’ny ankizy sy ny tanora, ho fampivoarana azy ireo. Eo ihany koa ny toerana ho an’ny kolontsaina sy ny haikanto. “Toerana ahafahana mijery ny lasa sy miatrika ny ankehitriny ary manomana ny ho avy ny Bibliothè­que médiathèque municipale”, hoy ny ben’ny Tanànan’Anta­nanarivo.
Tsiahivina fa miisa 16 ireo trano famakiana boky eto amin’ny kaominina Antananarivo, misandrahaka amin’ny boriborintany enina, ary foiben’izany ny eny Analakely.

Lin

Partager sur: