Fakafaka : … Dia izao ny vokany !

 

Ny fanaovana tsinontsinona ny maha Malagasy ihany no miteraka ireo olana marobe ireo. Lalàna anisan’ireo « lehibe sy manan-danja » indrindra eto Madagasikara, amin’ny teny frantsay. Vokany, samy mandroritra mankany amin’ny tombontsoany. Raha voasoratra amin’ny teny malagasy izy ireny, tsy nisy fifandirana fa izay voasoratra no arahina. Ny mahavariana, ireo lazaina ho manampahaizana sy avara-pianarana aza samy manana izay heveriny fa « marina » momba ireny lalàna voasoratra amin’ny teny frantsay ireny… Dia izao ny vokany !
Taranaka Malagasy, mianatra any an-tsekoly… Saingy, amin’ny fiteny vahiny no hoenti-mampita fahalalana. Tsy lamina voajanahary izany. Vokatr’io tsy fametrahana ny hasin’ny teny malagasy io, tsy omen’ny mpianatra (ankizy, tanora…) lanja intsony ny momba azy manontolo. Mihevi-tena ho « zavatra », ho « ambony », satria, mitovy fiteny amin’ny mpanjanaka… Dia izao ny vokany !
Tsy eo amin’ny teny ihany fa ny fotoam-pisainana iray manontolo mihitsy. Atao tsinontsinona ny fahaizan’ny Malagasy mitsabo amin’ny alalan’ny raokandro. Lazaina fa finoanoam-poana ny fahafehezany ny sikidy, ny fanorona, sns. Ambara fa « ody ratsy » ny fahaizan’ny Malagasy miara-monina sy mifamatotra amin’ny zava-boaharin-Janahary… Dia izao ny vokany… Ataon’ny vahiny kilalao !
… Tsy iandrasana vahiny ny fanarenana ny lesoka. Miankina indrindra amin’ny Malagasy tsirairay anefa ny fanatanterahina izany. Mila fanapahan-kevitra hentitra sy matotra. Mitaky asa avy any amin’ireo mpanabe sy ny raiamandreny.

HaRy Razafindrakoto

Partager sur: