« Kol’Tour » : hampahafantarina ireo harembakoka

Fandalovan’ny mpizahatany fotsiny Antananarivo hatramin’izay. Saika ireo tamba-dia mihazo ny morontsiraka, mandalo ireo valanjava-boahary natoraly hatrany no amidy ho an’ireo mpizahatany. Ambi­nambina fotoana sisa matoa mitsidika ireo harembakoka na mozea, sns, eto Antana­narivo ireo vahiny.
Mba hialana amin’izay indrindra no namolavolan’ny minisiteran’ny Serasera sy ny kolontsaina, miaraka amin’ireo matihanina amin’ny sehatry ny fizahantany ny « Kol’Tour ». Tetikasa iray, nanamboarana tamba-dia mitety ireo toerana manan-tantara tokony hotsidihin’ny mpizahatany mandalo eto Antananarivo izy ity. Nisy ny fampahafantarana tamin’ny fomba ofisialy, izay nontontosaina omaly, tetsy amin’ny Ivokolo Analakely.
Hisy karazany toa ny tamba-dia ka ny voalohany hotontosaina isaky ny sabo­tsy. Miainga any amin’ny Rovan’Ambohimanga, mandalo ny Rovan’Ilafy ary mifarana eny amin’ny Rovan’i Mada­gasikara (miaraka amin’ny fampisehoana ao amin’ny Kianja masoandro) izany. Ny faharoa kosa izay hotontosaina ny alahady, miainga ao amin’ny Mozea Rainilaiari­vony Amboditsiry, mandalo ny fampirantiana ao amin’ny Ivokolo Analakely (hosodoko, sokitra, sns), ny Trano Sary Ambohidahy (tahirin-tsary rakitry ny ela), ny Havoria (mo­zean’ny haino aman-jery) ao Anosy ary ny kianjan’ny Hiragasy etsy Ampefiloha.

Zo ny Aina

Partager sur: