Mila voatsiary !

 

Mandry an-driran’antsy ny vahoaka malagasy na an-tanàn-dehibe na ambanivolo. Ankoatra ny tsy fandriampahalemana, manao ny ataony ny mpanao politika. Tsy hita mivaingana izay fitakiana. Voizina ny maha vazaha ny andaniny kanefa misy dia manana zom-pirenena hafa ny sasany. Mahasarika olona tokoa ny paikady saingy mampametra-panontaniana hoe, hatraiza anefa ny fetrany? Ho voafehy ve ny vahoaka raha hitroatra handeha hamono sy hanimba fananam-bazaha? Maro amin’ny mpidina an-dalambe no mitady « gidraka » mba hampatsirotsiro ny hetsika.
Tsy mahazatra ny Malagasy rahateo ny hetsika am-pilaminana. « Ny gasy tsy mahadigny raha ela », hoy ny fitenenana. Rangitina amin’ny resa-taratasy izy ireo kanefa miandrandra fahagagana, hamahana ny olan’ny andavanandrom-piainany. Samy tsy misy manam-bahaolana amin’izany ireo mitarika “tolona”. Ny mahamaika azy rehetra dia ny fanakanana ilay iraika lahy, miady irery hanao fifidianana. Lalan-tokana ahafahana mivoaka amin’­izao krizy lalina izao.
Tsiahivina fa efa eny an-kianja rahateo manao fampielezan-kevitra ny kandidà laharana fahatelo. Ma­nomboka ny azy ihany koa ny rantsa-mangaika any ifotony. Ho azy, tsy misy afa-tsy ny fahavitan’ny fifidianana no fanamby hany tokana apetrany. Antoka iray lehibe ahafahany maka ny toerany izany. Vantany vao tafaverina amin’ny toerany ara-demokratika izy, Mazavabe ny hoavy politikany.
Miady amin’ny fomba rehetra, araka izany, izy sy ny ekipany mba tsy ho voasakantsakana na inona na inona antony. Efa miparitaka manerana ny Nosy rahateo ny iraka avy aminy, miaraka amin’ny fitaovana, ampian’ny fanohanana eny ifotony.
Mifandrefy hery ny mpanao politika amin’izao fotoana izao. Fanina hatramin’ny raiamandreny am-panahy, izay nitady hirika mba hahitan’ny andaniny sy ny ankilany marimaritra iraisana. Rava maina hatrany ny dinika satria samy mila voatsiary avokoa !

r.r

Partager sur: