Famakiana boky : vitsy ny liana amin’ireo misy voka-pikarohana

Nihena ny lanjan’ny famakiana boky, tato ho ato, noho ny fivoaran’ny teknolojia, izay manamora ny fiainan’ny olona, eny hatramin’ny fanaovana fikarohana.

Anisan’ny loharano ahafahana manovo fahalalana ny vaky boky. Etsy andaniny, mihena ny mpa­maky ireo boky mirakitra voka-pikarohana sy fanadihadiana. Etsy ankilany, nahitana fiakarany ny tahan’ny mpanjifa sy mpamaky ireo boky fialana voly. Raha ny taty aorian’ny fihibohana no jerena. Ankoa­tra ny firoboroboan’ny teknolojia, maro ny antony mahatonga izany fahasamihafana misy eo amin’ny isan’ny mpamaky boky, araka ny karazany izany. Na eo aza izany rehetra izany, mbola mitoetra ho loharanom-pahalalana hatrany ny boky, ary maro ireo manam-pahaizana manosika sy manolo-kevitra ny amin’ny tokony hamakiana boky.

Fialamboly, fitrandrahana fahaizana sy fahalalana no mahatonga ny olona iray ha­maky boky. Araka ny nambaran’ny tomponandraikitra eny anivon’ny trano famakiam-boky, misarika ny olona iray hamaky boky ny endriny ive­lany. Izay vao ny ao anatiny. “Mahatazona ny mpamaky elaela kokoa eo am-pamakiana ny boky misy sary noho ny tsy misy. Tsy mifidy taona fa mitombona amin’ny zara taona rehetra izany”, hoy Zafimalala Brigitte, mpiandraikitra ny trano famakiam-boky eny Anosy.

Raha ny mahakasika ny boky mirakitra valim-pikaro­hana sy fanadihadiana kosa, vitsy no tonga mijery izany, raha ny eny amin’ny trano famakiam-bokin’ny Oniveriste, eny Ankatso. Raha ny nambaran’ny tomponandraikitra, an­tony mahatonga izany ny ha­ka­moan’ny mpikaroka hamaky. Eo ihany koa ny teknolojia izay efa manamora ny fikarohana antotan-kevitra. Ankoatra izay, ireo boky amin’ny teny vahiny no be mpamaky sy mpanjifa raha oharina amin’ny teny malagasy. Ny faniriana te hizatra sy hahafehy ny teny vahiny no mahatonga izany, hoy ny tomponandraikitra.

Lin

Partager sur: