Mahasanganehana

 

Mampametra-panontaniana andro aman’alina ny fiainana andavanandron-dRamalagasy. Aleo atao anaty farangososona, anio, ny tontolo politika. Aleo mba hiresaka vetivety ny lafiny sosialy sy ny toekarena isika. Tsy takona afenina intsony fa miaka-bidy andro aman-alina ny vidim-piainana amin’ny sehatra rehetra. Tsy taka-bidy ny vary ho an’ny ankabeazan’ny Malagasy. Tsy natao ho an-jaza ny kojakoja fanamboaran-trano, hany ka manonga manaraka izay ihany koa ny hofan-trano.
Ny lafiny toekarena, hita ho mikatso ny zava-drehetra. Tsy tafidina latsaky ny 4 700 Ar intsony ny sandam-bola vahiny toy ny Euro. Mazavabe, misy fiantraikany amin’ny lafiny maro ny dikan’izany. Ny sarambabem-bahoaka, ilay madinika, mitrongy vao homana hatrany no lasibatra. Raha mba hanondran’entana ny Malagasy eto an-toerana, mivaro-boba ny mpamokatra. Rehefa hanafatra entana ny mpandraharaha, ny mpanjifa sy ny mpanelanelana ihany koa no manefa ny vidiny lafo. Manahirana! mahasanganehana ny miresaka azy.
Tsy misy miraharaha anefa izany, toa mitory teny an’efitra ny fikambanan’ny Malagasy mpandraharaha raha miady ny tombontsoan’izy ireo. Voagejan’olom-bitsy ny toekarena. Izy ireny no milalao arakaraka ny mahamety azy sy arakaraka ny tombontsoany. Izy ireo rahateo izay, manana ny fomba fiasa tsy hitsinjo ny vahoaka madinika izany. Tsy mahagaga raha tsy misy ny fampodiana vola vahiny eto an-tanindrazana. Izay entana mivoaka sy lafo, mampibontsina ny kitapom-bolan’ireo firenena mampiantrano ny volan-dry zalahy henjana any ivelany. Ilay taim-paosy na kaokam-bilany ho entina manarona ny tsy fanarahan-dalana, na hanaovana famotsiam-bola sisa no miverina aty Madagasikara.
Dia boribory vetaveta, mampieritreritra.

r.r

Partager sur: